"Hisy mpaminany sandoka sy kristy sandoka"
Manage episode 341574944 series 3307022
Ilay soavaly fotsy ao amin'ny Apokalypsy 6 dia manambara ny famantarana voalohany amin'ireo izay nolazain'i Jeosy Kristy. Hoy indrindra Izy: "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny." (Matio 24:24) Ary amin'izany indrindra dia asainy miambina sy mivavaka mandrakariva isika mba hiditra an-tsehatra Andriamanitra hanafaka antsika amin'ny fakam-panahy sy ny fitaoman-dratsy.
"Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin'ny fitafian'ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia* mitoha izy." [*lopa] (Matio 7:15)
AMin'ny fiverenan'i Kirsty eto an-tany dia hosamborina ilay bibi-dia sy ny mpaminany sandoka ary hatsipy velona amin'ny farihy afo sy solifara.
Ary nosamborina ilay bibi-dia mbamin'ny mpaminany sandoka, dia ilay nanao ny famantarana teo anatrehany, izay nentiny namitaka ny efa nandray ny mariky ny bibi-dia sady miankohoka eo anoloan'ny sariny; ary dia natsipy velona ho any amin'ny farihy afo mirehitra solifara izy roroa. (Apokalypsy 19:20)
--- Send in a voice message: https://podcasters.spotify.com/pod/show/fiangonan-andriamanitra-m/message176 episod